Actualités

Sprinter nivadika tao Tsinainondry RN 43 34 naratra ka ankizy avokoa ny 5 tamin’ireo


  • Alarobia 27 Aogositra 2014

34 naratra mafy ka ny 5 tamin’izy ireo dia ankizy avokoa vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga ny andron’ny 25 aogositra 2014 teo tamin’ny lalana RN 43 mampitohy an i Soavinandriana sy Sambaina tao Tsinainondry, atsimon’ny tetezan’i Kitsamby ka nivadihana fiara sprinter iray

Tao ny tapa-tongotra sy tapa-tanana, ny vaky loha. Ny voadona mafy any anaty any tsy ferana intsony. Nalefa nivantana teny amin’ny tobim-pahasalamana CSB II Soavinandriana Ambony ireo naratra rehetra ka niara-nisalahy nivantana tamin’ny fikarakarana ireo marary ny mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Croix Rouge Malagasy ao amin’ny Kaominin’i Soavinandriana Itasy. Izy ireo ihany koa no nanetsika ny rehetra nanao tsipaipaika nakana fiara nitondrana ireo naratra voatery nentina taty amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha noho ny hamafin’ny nahazo azy ireo fa tsy mba manana ambulance ity tanàna ity. Nanampy tamin’izany koa moa ny solombavambahoaka vaofidy tao Soavinandriana. Ny anton’ny loza moa raha ny fitantaran’ny teny an-toerana dia mifamahofaho be ihany fa mbola eo am-panaovana fanadihadiana lalina ny manampahefana fa tao ny nilaza fa tapaka hisatra ilay fiara sprinter niharan-doza. Nisy kosa ny nanizingizina fa variana nilalao telefaonina ilay saofera.  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT