Sosotra ny rafozan-dRajoelina

« Fanasoketana ahy sy ny fianankaviako ireny!»


  • Talata 29 Oktobra 2024

Namoaka setriny manoloana ny lahatsoratry ny gazety Kaomorianina La Gazette des Comores

Atoa Rodolphe Razakandisa Rafozan-dahin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, teo anatrehan’ny lahatsoratra nilaza fa azy ny volamena 50kg tratra tany Kaomoro ny desambra 2021. Nilaza fa tsy misy hidirany mihitsy io raharaha io na mivantana na ankolaka, fa endrika fanenjehana sy fanalam-baraka fotsiny, ka manohintohina ny hasiny sy ny fianankaviany. Manaja ny lanja sy ny soatoavin’ny firenena izaho sy ny fianankaviako, ka tena tsy azo ekena noho izany ny famoahana vaovao tsy mitombina momba anay, hoy ingahy Rodolphe Razakandida. Nangataka fandisoana sy fanitsiana ny vaovao navoakan'ny La Gazette des Comores noho izany Atoa Rodolphe Razakandisa, rafozan-dahin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Andrasana izay mety ho setriny hoe : hanaraka an’izay ve io gazety io sa vao mainka hamoaka zavatra hafa hamelezana ny fitondrana Malagasy na ny mpitondra Malagasy sy ny manodidina azy ? Raha ny fahitana ireo lahatsoratra an-gazety roa navoakany mikasika ny fifandraisan’i Madagasikara sy Comores mantsy, dia tsikaritra ho tena masiaka ary tsy mitsitsy. Raha gazety eto an-toerana mety tsy ho afa-manoatra, fa raha vahiny mety vao mainka hitombo ny fikaroham-baovao lalina na « investigation » mikasika ireo raharaha mety hahafahany mamely ny olona notononony. Ny firenena roa tonta izay toa tafiditra ao anaty lonilony na « incident diplomatique » teo anatrehan’ny tsy fanomezan’ny Kaomorianina ny volamena 50kg sy ny valy bontana avy amin’ny fitondrana Malagasy tamin’ny fanakanana ny sambon’izy ireo nitondra olona an-jatony tsy hiditra teto tapa-bolana lasa teo izay ? Ny Malagasy naneho fa amin’ny maha Firenena manana ny fiandrianany antsika dia adidy sy andraikitra ny miaro ny vahoaka eo anatrehan’ny mety hahatafidiran’ny valanaretina kôlera. Ny Kaomorianina naneho ny fahasosorany fa ny OMS aza tsy mbola namoaka fanasokajiana sy filazana fa tena loza be mila handraisana fepetra hentitra,… Tena resa-bolamena sy kôlera irery tokoa ve no miteraka fifanolanana sa misy zavatra hafa ? Tsy voalamina amin’ny resaka fifanomezan-tànana ara-pitsarana na « entraide judiciaire » ve ilay resaka volamena ? Hangina eo ny raharaha sa mbola hisy ny tsy ampoizina ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT