SORA-PIANKOHONANA

Za raha ny 25%-n’ny Malagasy no manana


  • Alakamisy 18 Jolay 2024

Ny 25%-n’ny Malagasy monja sisa no mba manana sora-piankohonana eto amintsika amin’izao taona 2024 izao.

Hatramin’ny taona 2008 no mankaty mantsy dia tsy nitsaha-nitontongana izany raha araka ny fanazavan’ny sampandraharaha misahana ny fanisana ny mponina na ny INSTAT. Ireo zaza teraka any ambanivohitra sy ireo monina any amin’ny faritra saro-dalana no tena voakasik’izany. Manana 12 andro anefa raha tsiahivina ny fianakaviana iray manana Reny tera-bao milaza ny fahaterahan’ny zaza iray ao aminy ary efa nohitarina hatramin’ny 30 andro mihitsy izany amin’izao saingy mbola tsy nahitam-bokany. Tanjona anefa ny mba hananan’ny 100%-n’ny Malagasy sora-piankohonana feno hatramn’ny taona 2030. Nandinika izany tetsy amin’ny Hotel Colbert omaly Alarobia 17 Jolay ireo mpiara-miombon’antoka miisa 8 nahitana ny OIF na ny Organisation Internationale de la Francophonie hahafahana manatratra io tanjona io. Distrika miisa 33 manerana ny faritra 14 no efa nanaovana ny fanandramana ka olona miisa 1.680.000 no efa nahazo tombontsoa. Amin’ity indray mitoraka ity indray dia olona miisa 56.000 no kendrena hisitraka izany sora-piankohonana izany arahin’ny fidinana ifotony entina hampahafantarana azy ireo ny hahasarobidin’izany fananana kopia mari-pahaterahana izany.
Pati
Legende : Tsy manana kopia mari-pahaterahana fa tsy maintsy hanaovana hetsika tahaka izao ny ankamaroan’ny Malagasy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT