Actualités

Sophie Ratsiraka Nigadona an-tanindrazana ny faran'ny herinandro teo


  • Alatsinainy 23 Jona 2014

Nigadona an-tanindrazana ny faran'ny herinandro teo i Sophie Ratsiraka, zanaka faravavin'ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka.

Tao anatin'ny hafaliana tanteraka no nihaonan'ny vahoakan'Andrononobe Ambohitrarahaba taminy ny sabotsy lasa teo, nandritra ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny Akanin-jaza Velasoa Avaradrano. Vonona ny hanohy ny asa fampandrosoana efa natomboky ny rainy teto amin'ny firenena i Sophie Ratsiraka. Anisan'izany ny fijereny manokana ireo Akanin-jaza tantanan'ny antoko AREMA manerana an'Antananarivo mba ho fitsinjovana ireo vahoaka sahirana. Ho an'ny Akanin-jaza Velasoa Avaradrano manokana dia mahatratra 30 isa ireo ankizy hiatrika ny fanadinana CEPE amin'ity taona ity. Tsara hatrany ny voka-panadinana azony hatramin'izay raha araka ny fanazavan'ny mpitantana azy Rasoanirina Marie Odette izay marihina manokana fa nanome ny anjara lovany mba hanorenana ny akanin-jaza eny an-toerana ho fitsinjovana ny zana-bahoaka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT