Sophie Ratsiraka

Ndao hamokatra mba tsy hiankindoha be loatra...


  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Miditra amin'ny herinandro fahatelo

ankehitriny ny ady ifanaovan'i Etazonia sy Israely amin'i Iran. Mizaka ny vokatr'izany ireo firenena manodidina ny hoala Persika, izay saika firenena mpamokatra solika avokoa. Ny 28 febroary 2026, niantombohan'ny ady no fantatra fa hatreto tsy mbola misy afaka maminavina izay hifarany. Miteraka ahiahy ho an'i Madagasikara io fifandonana misy eo amin'ny Etazonia sy Iran io ankehitriny. Naneho izany ahiahy izany i Sophie Ratsiraka, izay solombavambahoaka voafidy tao Vatomandry, Faritra Atsinanana ary efa minisitry ny Asa tanana sy taozavatra teo aloha. "Manahy mafy aho fa hisy vokany ratsy ho an'ny toekarena Malagasy sy ny vahoaka manontolo izy io" hoy izy. "Tsy azo odiana tsy hita tokoa fa hiteraka fiakaran'ny vidin'ny solika mihoapampana ity ady ity. Hisy fiantraikany amin'ny saran'ny fitaterana isan-karazany ka hampisondrotra tanteraka ny vidim-piainana eto an-toerana", hoy hatrany ity zanaka vavy ny filoha teo aloha ny Amiraly Didier Ratsiraka ity sady Mpiarika ny Rassemblement des Partisans du Ratsirakisme (RPR). Nisintona ny sain'ny maro ny tenany, nilaza fa izao tranga izao dia "tokony hitarika antsika Malagasy handinika ny lalana ahafahana mamokatra amin'ny lafiny maro mba hampihena ny fiankinan-dohantsika amin'ny any ivelany". Nandroso sosonkevitra i Sophie Ratsiraka ny "tokony hiaraha-mijery ny hoe : inona no tetika azo atao hamokarana sy iza no tena ahafahana miara-miasa tanteraka ary inona no fepetra tokony horaisina hiarovana ny toe-karena". Nohamafisiny fa "mila firaisankina izany sady mila antsika mandray andraikitra avy hatrany mba tsy ho voageja ny fampandrosoana tiana hapetraka eto Madagasikara".
Jean D.
Sophie Ratsiraka solombavambahoaka voafidy tao Vatomandry Faritra Atsinanana


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT