Sophie Ratsiraka

«Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana!»


  • Zoma 20 Jona 2025

Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka

raha nandray fitenenana tao amin’ny antenimieram-pirenena omaly! Nivoaka ny efitrano lehibe fivorian'ny solombavambahoaka aho omaly (TTF : ny 18 jona teo) nandritra ny fotoana hifidianana ny tolo-dalàna izay natolotro entina hanovàna ny «code de l'artisanat» na sata momba ny asa tanana satria tsy te hiditra amin'ny sarintsarin-tsangan-tanana aho, hoy izy. Ny Ministeran'ny asa-tanana mihitsy no nilaza fa tsy maika izany ary henoko fa efa nisy toromarika momba ny latsabato tsy hampandany azy io. Manontany tena ihany aho hoe rahoviana no maika ny fihainoana ny mpanao asa-tanana sy ny vahoaka? Fony aho minisitra nisahana ny asa-tanana no efa nangatahan'ireo mpisehatra aminy fa mila asiana fanitsiana mifanaraka amin'ny toetr’andro ny "code de l'artisanat". Nanaovana «consultations régionales» na fakan-kevitra isam-paritra, naravona tao anaty "forum national de l'artisanat" na fihaonambem-pirenena momba ny asa tanana ny fehinkevitra ary nanaovana «conférence des bailleurs» na fihaonana niarahana tamin'ny mpamatsy vola sy ny mpiombon'antoka toy ny PNUD, vondrona eoropeanina sy ny maro hafa ka namoahana ny "Politique et Stratégie Nationale pour le Développement de l'Artisanat 2023-2032" na politika sy stratejiam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny asa tanana 2023-2032 izany. Nandritra ny asam-baomiera natao tao amin'ny antenimieram-pirenena farany teo dia nampidirina tao anatin'io tolo-dalana io ny pejy miisa 5 avy amin'ny hevitry ny minisitera ankehitriny. Ny maha zava-dehibe ny sata anefa dia voarakitra ao ny sata momba ny asa tanana hamaritana ny zo sy satan'ny olona ao. Miaro ny mpanao asa-tanana sy ny asa-tanana ary mametraka " fonds pour l'artisanat " na tahiry entina mampandroso ny asa-tanana ihany koa satria raha nampiditra hatrany amin'ny 72 tapitrisa Euros mahery tao anatin'ny kitampom-bolam-panjakana ny asa-tanana fony aho minisitra dia tsy nisy tamberina na kely aza nankany amin'ireo misehatra azy. Tsy "opportun" na "tsy mbola fotoanany" anefa hoy ny mpitantana ny ministera ankehitriny ka lasa saina ihany aho hoe efa tsy antony ara-tekinika no tena hanakanana azy fa mety antony ara-politika ka lasa sorona ve ny mpanao asa-tanana izay maherin'ny 3 tapitrisa eto Madagasikara, hoy hatrany ity depiote ity, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT