Miakatra ny vidim-bary sy ny menaka ary ny siramamy, nisondrotra ihany koa ny vidin-tsolika, izay raha tsy voavaha haingana dia tsy maintsy hitarika ny fiakaran’ny saran-dalana amin’ny zotra rehetra manerana ny nosy.
Tsy tokony hitazam-potsiny izany ny fitondram-panjakana fa handray fanapahan-kevitra haingana sady mahomby ho fiarovana ny mpanjifa araka ny hevitry ny FAC na ny federasiona miaro ny zon’ny mpanjifa. Tsy tokony hailika fotsiny any amin’ny fiakaran’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny fiakaran’ny vidin’entana araka ny nambaran-dry zareo avy ao amin’ny FAC, fa dieny izao ao anatin’ny tetezamita sy ny fanovana ary mbola mampisintaka ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena izao dia tokony ho sahy manapa-kevitra mametra ny vidin’entana rehetra ilaina amin’ny fiainana andavanandro ny fanjakana.
Tsy tokony hogejain’ilay fanalalahana ny tsena sy ny toekarena, nateraky ny fanatontoloana mihitsy isika, hoy ity fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa ity fa mampihatra izay mahasoa ny vahoaka. Koa rehefa midangana loatra ny vidin’entana dia tokony handray fepetra hampidinana izany ny fanjakana na mamoaka lalàna mihitsy tsy hahafahan’ny mpivarotra mampisondrotra, araka izay tiany ny vidin’entana. Tsy maintsy atao koa anefa ny fifampiresahana eo amin’ny ankolafy rehetra, izany hoe ny fanjakana, ny fikambanan’ny mpanafatra entana sy ny mpivarotra ary ny mpanjifa mba handinihana ny vahaolana mahomby sy maharitra, fa tsy hoe isaky ny maitso ahitra vao hikorapaka rehefa miha lafo ny entana eny an-tsena.
Tena sarotra tokoa ity fifehezana ny vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ity eto amintsika satria voafatotr’ilay fifanarahana tamin’ny mpamatsy vola mahazatra dia ny Banky iraisam-Pirenena sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ny fanjakana, taorian’ny nirodanan’ny Repoblika faharoa ka tsy maintsy nampiharana ilay vidiny tena izy (vérité des prix) ary tsy afaka nanao ilay antsoina hoe : «subvention» intsony koa ny fanjakana mba hifehezana ny vidin’entana. Ny lalàn’ny tolotra sy ny tinady no nampiharina nanomboka teo ka hatramin’izao, ary na dia manara-maso aza ny fanjakana dia tsy afaka mibaiko sy manery intsony ny mpivarotra amin’ny vidin’entana ataony, satria nambara foana fa manaraka ny fiovaovan’ny vidin’entana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izy ireo.
Araka ny filazan’ny mpahay toekarena iray tafaresaka taminay dia : «matetika dia manome vahana ny firenena manana toekarena efa matanjaka fa mampijaly kosa ireo mbola sahirana sy mahantra ny fanalalahana ny toekarena sy ny varotra, koa mety noho izay no maha sahirana lava antsika eto Madagasikara amin’ity vidin’entana ity isan-taona. Matoa koa anefa mitranga io fiakarana io dia satria misy ny vanim-potoana tsy maha ampy ny tolotra manoloana ny tinady. Mbola tsy ampy ho an’ny Malagasy ny zavatra vokariny koa tsy maintsy miditra amin’ny fanafarana entana foana isika isan-taona, dia tsy mahagaga raha ahitana sondro-bidy ny PPN satria manaraka ny onjan’ny tsena iraisam-pirenena fotsiny ireo mpanafatra entana eto amintsika, misy ihany anefa ny manararaotra amin’izy ireo, koa tokony ho matotra sy henjana ny fanaraha-maso ataon’ny fitondram-panjakana».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.