panjakana na teo aza ny disadisa….
Handray anjara amin’ny Sommet Afrique–France na ny "Sommet Africa Forward" atao ao Nairobi ny 11-12 mey i Madagasikara. Ny Kolonely Michaël Randrianirina, filohan’ny fanavaozana, no hitarika ny delegasiona malagasy amin’ity fihaonana iarahan’i Frantsa sy Kenya mandrindra ary hahitana an’i Emmanuel Macron, filoham-panjakana sy praiminisitra afrikanina maro. Efa tonga hatramin’ny omaly alahady ny filohan’i Frantsa, ka manamarika ny lanjan’ity hetsika ity eo amin’ny fifandraisana stratejika. Ho an’i Madagasikara, fotoana iray hanamafisana sy handinihana indray ny fiaraha-miasa amin’i Frantsa sy ireo firenena afrikanina hafa ny fandraisana anjara amin’ity Sommet ity. Na dia mbola voasazy amin’ny rafitra ao amin’ny Vondrona Afrikanina aza isika, dia antenaina fa hisy fifanakalozan-kevitra momba izany amin’ireo firenena mpikambana. Tsiahivina fa efa nisy fifampiresahana momba io lohahevitra io tamin’ny filohan’i Guinée Équatoriale nandritra ny 11ème Sommet OEACP tamin’ny volana martsa lasa teo. Ny Sommet Afrique–France izao no voalohany karakaraina ivelan’ny firenena miteny frantsay ary napetraka eo ambanin’ny lohahevitra “Partenariats Afrique–France pour l’innovation et la croissance”. Tanjon’ny fihaonana ny hamolavola fiaraha-miasa mivaingana sy mifantoka amin’ny asa ho motera fampiasam-bola, fanavaozana ary fampandrosoana maharitra. Mihoatra ny 4 000 delegasiona sy 2 000 mpitarika orinasa sy sehatra tsy miankina no hanatrika ary hifantoka amin’ny sehatra stratejika toy ny fiovàna angovo sy indostria maitso ary fanavaozana ny rafitra ara-bola iraisam-pirenena. Ho tombontsoa lehibe ho an’ny fanjakana malagasy sy ny mpandraharaha eto an-toerana ny fahafahana mitady mpiara-miombon’antoka afrikanina sy frantsay amin’ity fihaonana lehibe ity. Nialohan'izao raha tsiahivina dia nisy karazana fifandirana diplaomatika teo anatrehan'ny fandroahan'i Madagasikara (persona non grata) manamboninahitra iray miasa eo anivon'ny Masoivoho Frantsay ho tafiditra amin'ny raharaha fanakorontanana eto. Namaly i Lafrantsa fa fiampangana tsy marina ary toherin'izy ireo tanteraka ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Fanjakana Malagasy. Nisy avy eo ny fifampiresahana an-tariby teo amin'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron sy ny Filohan'ny fanavaozana Kolonely Randrianirina Michael, ka nangina teo tsy re intsony ny tohin'iny raharaha iny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.