Solontenan’ny mpiasa nentina tany Genève

«Tsy nitondra vokatra fa nitehatehaka fotsiny»


  • Talata 25 Jona 2024

Taty amin’ny tontolon’ny asa, izany hoe ny mpiasa, dia nihevitra daholo fa toy ny tamin’ny taon-dasa izay nisy

fanasoniavana fifanarahana iraisampirenena miisa 4 be izao, dia fara faha ratsiny mba nisy tahaka izany koa tamin’ity taona ity nandritr’ilay fihaonambe iraisampirenena momba ny asa na CIT natao tany Genève, Soisa, ny 3 hatramin’ny 14 jona teo, hoy ny Randrana sendikaly. Tamin’ny herintaona nisy ilay fifanarahana faha 190, mikasika ny ady amin’ny herisetra amin’ny toeram-piasana izay tokony nosoniavina tamin’ny taon-dasa fa tsy nosoniavina, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo Barson Rakotomanga. Nihevitra ny rehetra hoe nankany hatramin’ny filoham-pirenena tamin’ity taona mba hanasonia zavatra toy ireny niaraka tamin’ny delegasionina mafonja, mba hisy vokany, saingy tsy nisy. Nandany vola sy nitehatehaka fotsiny izany ry zareo tany fa tsy nisy vokany. Efa nilaza moa ny Randrana sendikaly fa tsy mahasolo tena ny mpiasa malagasy akory ireo solontena nentina tany ary tsy ara-dalàna. Nentina hitehatehaka fotsiny izany. Tsy manana finiavana hampandroso ny tontolon’ny asa mihitsy izany ny fitondram-panjakana raha izao fahitana azy izao. Ny minisitra izay mba neritreretina hoe tena hijery ilay tontolon’ny asa lasa manenjika fihaonana etsy sy eroa fotsiny. Ny taona 2023 mbola tena be dia be ny fanenjehana mpitarika sendika. Fanitsakitsahana ny lalàna iraisampirenana fa 87 sy 98 izany na fanitsakitsahana ny fahalalahana sendikaly, izany hoe, «atteinte à la liberté syndicale». Tokony noresahana tany izany nefa ireny niverina nody ireny fotsiny ireo delegasionina malagasy. Tsy nanao «tam tam» akory aza satria tsy nitondra vokatra fa ireo nijanona teto an-toerana indray nisy vokatra kokoa, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT