SOLONTENAN'NY

MPIASAN'NY JIRAMA Tsy mpanongam-panjakana


  • Zoma 14 Novambra 2025

izahay, avoahy ny namanay

Tsy mpanongam-panjakana izahay hoy ireo solontenan'ny mpiasan'ny JIRAMA raha nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly. Anisan'ny niady ny nandrodanana ny Fitondrana izahay hoy izy ireo ary manohana izao fitondrana mijoro izao. Ny mampalahelo anefa hoy izy ireo dia nosamborina ny namanay koa hangatahinay amin'ny fitondram-panjakana ny hamoahana azy. Nohazavain'ireo solontenan'ny mpiasan'ny JIRAMA tetsy amin'ny Rainilovy Analakely omaly ireto moa fa tsy nanapaka ny jiron'ny vahoaka Malagasy izany izy ireo izy fa delestazy tsotra no nisy. Ireo toerana nisy ny biraon'ny JIRAMA no notapahanay ny herinaratra tao aminy hoy izy vokatry ny fangatahana tsy mety mivaly. Tsy mety intsony io rafi-pitantanana ny orinasa JIRAMA.io hoy izy. Tsy ho zakan'ny mpanjifa ny vidin-jiro atsy ho atsy raha mbola mitohy io. Tokony alana amin'ny toerany ihany ny tale jeneralin'ity orinasa ity fa betsaka ny tera-tany malagasy mahay hoy hatrany izy ireo. Nanambara moa izy ireo fa ny ministera no manao ny vidin-jiron'ny jirama fa tsy ny mpiasa. Mandoa vidin-jiro toy ny olon-drehetra ihany koa ny mpiasa fa misy fihenam-bidy fotsiny.
Pati
Légende : Nitafa tamin'ny mpanao gazety izy ireo omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT