Nambaran’ny minisitry harena stratejika Lalaharisaina Joéli Valérien fa tsy mbola mety amin’ny fitaovana sy ny fotodrafitrasan’ny Jirama indray aloha ilay solika (huile lourde) vokarin’ny orinasa Madagascar Oil any Tsimiroro ary mbola eo an-dalam-pikarohana izay mety ho vahaolana ny Jirama sy ny Madagascar Oil. Nandritra ny fihaonany tamin’ny masoivohon’i Sina omaly no nilazany izany
Hampihena ny saran’ny herinaratra
Midika izany fa tsy mbola ato ho ato, ary mety tsy ho amin’ity taona ity aloha no afaka hampiasa io solika trandrahana ao Tsimiroro io ny Jirama, na dia efa nampanantena ny hahatanterahan’izany aza ny mpitondra fanjakana. Raha ilay vinavina dia hampihena ny vola lanin’ny Jiro sy Rano Malagasy ny fampiasana ilay « huile lourde » ka mazava ho azy fa tsy maintsy hitarika ny fidinan’ny saran’ny herinaratra eto Madagasikara izany. Tena lafo mantsy ny fampiasana ny gazoala amin’ireo milina mpamokatra herinaratry ny Jirama manerana ny nosy ankehitriny. Porofon’izany fa lany amin’ny fividianana gazoala ny 80%-n’ny tetibola ampiasain’ny Jirama. Ny 23 mey 2014 no nambaran’ny filankevitry ny minisitra fa atao mandritra ny enim-bolana ny varotra andrana ny solika vokarin’ny Madagascar Oil ka 50 000 ka hatramin’ny 70 000 barila no holaniana eto amin’ny tsena anatiny. Nidina tany Tsimiroro mihitsy ny 18 jona ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny famarotana eo amin’ny tsena ilay solika. Nomena tombony ny Jirama tamin’io ary nandefasana solika iray « citerne » avy hatrany. Raha ny fanazavan’ireo teknisianina dia atambatra amin’ny gazoala ilay « huile lourde » ( 85% huile lourde + 25% gazoala) dia tokony ho azo ampiasaina amin’ireo milina fampiasa amina orinasa maro eto Madagasikara, indrindra fa ny Jirama.
Fitaka bevava ?
Telo volana aty aoriana anefa, tsy nisy mihitsy ny fandrosoana vita tamin’ny andrana sy ny fikarohana fa dia ambara hoe tsy mety ilay solik’i Tsimiroro fa be loatra ny tahan’ny rano ao anatiny. Moa ve tsy tany am-boalohany dia efa fantatra izany ka nikaroham-bahaolana haingana, ka mba voalamina tao anatin’ny 3 volana ? Izay tokoa ve no tena marina sa misy ambadika hafa ity resaka ity ? Sao dia efa mandeha any ambadibadika any sanatria ny tsindry bokotr’ireo kaompania mpanafatra sy mpivarotra solika vahiny eto amintsika ka manakana amin’ny fomba rehetra ny hanapariahana ny solik’i Tsimiroro eto Madagasikara, sao mamono ny tsenan’izy ireo ? Maro ny manahy fa sao dia fampiesonana manara-penitra sy fitaka bevava indray ity resaka solik’i Tsimiroro ity ka natao vaovao nipoapoaka tany am-boalohany fotsiny mba hampandriana adrisa ny vahoaka, fa hay resaka mbola any an-kibon’ny omby. Ary raha izao no mitohy dia tsy ho foana mihitsy ny delestazy nampanantenaina fa hilamina ao anatin’ny enim-bolana, na dia ho tapitra ihany aza ny fe-potoana hiasan’ny filoham-pirenena
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.