Sokatra sy gidro tratra tany Thaïlande

Nanomboka omaly ny fampodiana, nambara fa nisy maty…


  • Alatsinainy 02 Desambra 2024

Nanomboka omaly ny asa fampodiana ireo biby tratra tany Thaïlande ny volana mey 2024.

Hizara telo ny fampodiana ka ny voalohany dia fampodiana ireo gidro Lemur catta 16. Ny manaraka dia voalahatra amin'ny 3 sy 6 desambra 2024. Mandritra ny fotoam-panokanana monina azy ireo, dia ho raisin'ny mpitsabo biby sy ny teknisianina manam-pahaizana ireo biby ireo. Hapetraka ao amin'ny toerana manokana izy ireo, izay hahazoany fitsaboana mifanaraka amin'izany sy hiarovana azy ireo mialohan’ny famerenana azy ireo any amin'ny tontolo iainany voajanahary. Raha hiverenana dia tratra ny 1 mey 2024 teo tao Thailande ny sokatra 1117 sy gidro 48 avy aty Madagasikara. Nisy tamin’ireo anefa maty noho tsy fahazakana ny fiovana ara-tontolo iainana. Noho izany, gidro 31 (Eulemur fulvus) sy sokatra 914 tortues (155 tortues radiées, Astrochelys radiata, ary 759 tortues araignées, Pyxis arachnoides) no hampodiana eto aorian’ny fampodiana ny andiany voalohany. Fiaraha-miasa akaiky eo amin'ny fanjakana malagasy tamin’ny Fanjakana Thaïlandais niampy ireo mpiara-miasa ara-teknika sy ara-bola no nambara fa nahafahana nampody ireo biby. Amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ny fanavotana ireo biby ireo dia raisina ho fahombiazana lehibe, vokatra avy amin'ny fiaraha-miasa, ary ny fandraisana anjara mafonja avy amin'ny fikambanana iraisam-pirenena toy ny ONUDC (Organisation des Nations unies contre la Drogue et le Crime) sy United for Wildlife. Azo lazaina ho mahomby ny fampodiana ireo biby saingy manao ahoana ny fifehezana ny harena eto na ny manan’aina na ny an-kibon’ny tany na ny anaty rano ? Tena mahomby ve ny Fanjakana ? Tena tsara tantana sy mivadika ho fanohitra ara-toekarena eto ve ny harenantsika sa olom-bitsy no mitavana sy migalabona aminy ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT