Dila ny fe-potoana nomen’ny fitondram-panjakana nolazaina fa hahatafaverenan’ireo
sokatra sy gidro avy eto Madagasikara sarona tany Thaïlande ny fiandohan’ny volana mey lasa teo. Tany amin’ny 30 jolay , nandritra ny fanokafana ny atrikasa IEC (Initiative pour l’Education Citoyenne) mikasika ny fanabeazana ara-tontolo iainana anefa no nilazan’ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, fa hahatafaverenan’izy ireo eto ao anatin’ny herinandro na 2 herinandro. Efa nisy mihitsy ny filazana, fa mifampiresaka amin’ny kaompania an’habakabaka roa ny Fanjakana amin’ny fampodiana azy ireo. Tsy vao sambany anefa no nilazana fa hiverenan’ireo biby tsy ho ela satria ny faran’ny volana jona no efa nambara fa hiverenany, saingy tsy mety tanteraka mandrak’androany. Nilaza ny Minisitry ny tontolo iainana, fa miezaka ny hamaranana io tantara ratsy io izay nanimba ny endrik’i Madagasikara. Tsiahivina hatrany fa sokatra 1076 sy gidro 48 no sarona tany Thaillande, izay nisy olona 6 voasambotra tany an-toerana, am-polony no nosamborina sy nalefa any am-ponja teto Madagasikara. Ampahany ihany tamin’ireo sokatra 5400 latsaka kely saika haondrana tao anatin’ny 6 volana voalohan’ny taona 2024 itony sarona itony, izay midika fa tena mahery vaika ny fanaovana tantely afa-drakotra harem-pirenena. Taorian’ity fahatrarana ireo biby maro be ireo, nisy ny iraka nataon’io Minisitry ny tontolo iainana io tany Thaïlande, ka isan’ny nihaonany sy nanaovana fifampiraharahana ny Minisitry ny fitsarana Thaïlandais, ka nanaovana serasera taorian’izay fa ho tafaverina tsy ho ela. Mipetraka hatrany ny fanontaniana hoe : sanatria ve ho tahaka ny volamena tratra tatsy Afrika Atsimo sy tany Kaomoro na koa ny tany Maorisy izay nanaovan’ny Fanjakana fampanantenana poakaty fa tsy maintsy haverina eto, saingy mandrak’ity ny androany tsy dia nijanona ho teny nentin-drivotra na dia efa taona maromaro aza no nahatrarana azy ? Olana ara-teknika sa nogiazan’ny firenena nahatrarana azy tahaka ireo volamenantsika ireo biby ka sanatria ny olona no hampodiana eto fa ny harena efa lasan’olona ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.