Actualités

Sokatra eto Madagasikara Misy karazany 5 atahorana ho lany tamingana


  • Alarobia 24 Mey 2023

Manana karazan-tsokatra miisa 9 isika eto Madagasikara ka mifangaro ao anatin’izany avokoa ny sokatra an-tanety sy ny soka-dranomamy.

Ny 5 amin’ireo karazan-tsokatra ireo no fantatra fa tsy fahita raha tsy eto amintsika toy ny Rere na Erymnochelys madagascariensis. Soka-dranomamy tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo karazan-tsokatra 25 tena atahorana ho lany tamingana vokatry ny fihinanana azy sy ny fahapotehan’ny toeram-ponenany izy io. Toraka izany koa ny angonoka na Astrochelys yniphora. Sokatra an-tanety avy any amin’ny tapany avaratra andrefan’ny Nosy indray ity farany izay fantatra fa efa vitsy dia vitsy tokoa. Toraka izany koa ny Sokake na Astrochelys radiata. Vokatry ny fitrandrahana ireo karazan-tsokatra ireo moa dia tafiditra ao anatin’ny lisitra menan’ ny IUCN izy ireo izay karazam-biby atahorana ho lany tamingana. Tokony hisy araka izany ny fiarovana azy ireo toy ny anakandria-maso izay tsiahivina fa efa misy manao laoka eny amin’ny hotely mihitsy ny sasany. Nankalazaina omaly talata 23 may ny andro manerantany ho an’ny sokatra.
Nangonin’i Pati
Legende : Hataon’ny sasany laoka ny sokatra ka tokony arovana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT