Actualités

Soja Fulgence Niady mafy ho amin’ny fanampiana ireo olona varira


  • Talata 14 Febroary 2023

Tonga soamantsara eto an-tanindrazana ny filohan’ny fikambanan’ireo olona manana toe-tena varira eto Madagasikara Atoa Soja Fulgence taorian’ny fihaonambe natrehiny tany Dar es Salam.

Raha tsiahivina dia niompana tamin'ny fifampizarana ny paikady entina hanatsarana ny fiainan'ireo olona manana toe-tena varira aty Afrika ny fihaonana ankoatra ny fitadiavana izay fomba hatao mba hahazoana fiaraha-miasa maty paika amin'ireo mpisehatra maro samihafa, amin’ireo karazana fanampiana azony hatolotra. Ho an’Atoa Soja Fulgence dia anisan’ny tena nangatahiny ny hanampiana ireo ankizy manana toe-tena varira mbola maniry te-hanohy fianarana mafy nefa tsy afa-manoatra noho ny fahasahiranany sy ny toe-pahasalamany. Toraka izany ihany koa ny fanampiana azy ireo amin’ny resaka fanafody hiarovana ny hodiny rehefa mivoaka ao an-tokantrano…. Solontenana firenena 14 aty Afrika moa no nosoloin’Atoa Soja Fulgence filohan’ny Albinos Madagascar tena tamin’izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Atoa Soja Fulgence, filohan’ny olona manana toe-tena varira eto Madagasikara
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT