Actualités

Soja Fulgence « Aza minomino foana, tsy manana pouvoir izany olona varira »


  • Alarobia 14 Jona 2023

Iray ao anatin’ny 10.000 isa ny olona manana toe-tena varira. Vitsy izy ireny saingy mbola mafy ihany ny fanilihana sy

ny fampahoriana hanaovan’ny fiaraha-monina azy raha araka ny fanazavan’ny filoha Soja Fulgence tamin’ny mpanao fazety omaly. Nanomboka tamin’ny taona 1980 no fantatra no nanomboka nitranga ny herisetra amina olona manana toe-tena varira taty Afrika.Fanapahan-doha ny olona varira mba hanaovana fanasinana, misy ireo tapahana ny tanana dia entin'ny mpiandriaka mba hahazoana trondro…. Ny eto Madagasikara indray dia ny fakana ankeriny sy fitazonana, fakana voamaso, famonoana ho faty no tena betsaka. Olona manana toe-tena varira miisa 1000 no hita sy efa nifampiresaka tamin'ny fikambanana Albinos Madagascar hatreto fa heverina hoe : 8000 hatramin'ny 10 000 kosa ny isan’ ny olona varira eto Madagasikara. Na izany aza mbola mitohy ny fanisana. Iray amin’ny 10. 000 eo ho eo kosa ireo olona manana toe-tena varitra. Ny mampalahelo anefa dia mbola tsy manana tetikasa isan-taona hiahiana ireo olona varira manaraka ilay drafitra iraisam-pirenena 2021-2031 i Madagasikara . Nohamafisin’Atoa Soja Fulgence moa fa tsy manana "pouvoir" izany ny olona varira. Na izany aza dia nomarihiny fa mahavita zavatra tsara ny olona manana toe-tena varira ka tsy tokony avakavahana na ahilika na dia mila fiahiana manokana aza. Manana fahasahiranana amin'ny fahitana mantsy izy ireny. Mikasika ny fahatrarana ireo olona mamono sy maka an-keriny ireo olona varira moa dia nanamafy ny fikambanana fa misy tranga mampiahiahy ihany . Norainy ohatra ny zava-niseho tany Antsohihy izay nisy halatr’olona varira. Olona miisa 14 nosamborina tamin’izany saingy tsy hita izay tohiny hatramin'izao. Toraka izany koa ny tany amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo. Nisy olona tratra nangalatra sy niazona zaza varira ihany koa kanefa afaka 2 volana avy eo dia hoe : afaka madiodio….Miantso ny fanjakana mba hihetsika ny fikambanana noho izany.
Pati
Legende : Ry zareo avy ao amin’ny Albinos Madagascar nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT