Actualités

Soavinandriana Itasy Lehilahy iray no nanolana ny zanany moana sy marenina


  • Alarobia 19 Aprily 2023

Lehilahy iray no nanolana ny zanany vavy naterany, 17 taona, tao amin'ny kaominin'i Mananasy, distrikan'i Soavinandriana Itasy.

Manana fahasembanana io zaza io, hoy ny fampitam-baovao. Sady moana no marenina. Nandositra tany amin'ny nenitoany (rahavavin-dreniny), tany amin'ny kaominin'Ambohidanierana, efa ho roa volana izy. Io havany io no nandray andraikitra nametraka fitoriana teo amin'ny polisy ny 3 aprily. Nanadihady ny raharaha avy hatrany ny lehiben'ny kaomisaria Soavinandriana Itasy. Fantatra fa na mamo na tsia ilay rangahy dia manolana io zanany io. Entiny any an-tsaha, safoiny ny nonony ary tazoniny ny tanany. Mandositra ilay zaza ka antsoiny amin'ny baiko tanana mba hanao firaisana. Tsy manaiky anefa ilay zaza. Rehefa izany, ny alina indray, rehefa maty jiro, no anaovany ny filan-dratsiny. Efitra iray rahateo ny trano sady fatorian'izy 6 mianaka. Rehefa tsy azon'ilay rangahy avy ao aoriana dia azony ao aloha. Voalaza fa efa nisy fotoana tafahiaka ilay zaza. Taitra ny reniny sy ireo zandriny saingy matahotra tsy mahasahy miteny. Midaroka sy mamono vady ilay rangahy. Milefitra aminy moa matahotra ny havam-badiny ny renin'ity tsy manan-tsiny ity. Voamarin'ny mpitsabo fa simba ny mahavehivavy ilay zaza. Efa matetika ilay herisetra. In-1 kosa no tena nahavanona ny filàny ilay rangahy. Nanampy tamin'ny fihainoana ilay zaza ny mpandika teny avy amin'ny minisiteran'ny mponina. Ilay mpanolana kosa nandà ny heloka anenjehana azy. Sady tsy nanolana izy no tsy nanao herisetra tamin-janany, hoy ny filazany. Natolotra ny fampanoavana omaly izy mivady. Rangahy naiditra am-ponja vonjimaika, raha nomena fahafahana ramatoa notondroina ho niray tsikombakomba taminy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT