Soavimasoandro, Ambatomaro, Ambohipo,…

Leo delestazy, omaly dia efa nanomboka ny hetsika


  • Alakamisy 25 Septambra 2025

Raha anio ny fotoana ofisialy hanaovana ilay hetsika

leo delestazy » eto Antananarivo, dia faritra maro no nihetsika sy nitroatra omaly takariva. Niroso tamin’ny fidinanana an-dalambe, fandorana kodiarana,… nentina nanehoana fa leo sy tofoky ny fahatapahana. Nihetsika ny vahoaka teny Soavimasoandro, Tsarasaotra, Ambatomaro, Ambohipo, 67HA, Sabotsy Namehana,… Nirehitra ny afo teny afovoan’arabe niteraka fahatapahan-dàlana. Tsy misy resaka notarihin’ny mpanohitra na antoko politika, fa tena manira-tena ny olona. Porofo maneho fa tena efa tsy vita intsony ny miaritra, leo tanteraka, tsy matoky fampanantenana poakaty,… Raha miezaka manao serasera mantsy ny mpitondra fa tsy ilaina ny korontana, mandrahona ny EMMONAT fa handray fepetra,… dia toa tsy mahasakana ny olona intsony izany. Asa izay ho endriky ny anio eo anatrehan’ny fanakanana hatao etsy Ambohijatovo izay mety vao mainka handrehitra ny afo. Ho voafehy amin’ny alalan’ny lakrimozenina ve raha hivadika hetsika goavana isam-pokontany ohatra, toy ny nitranga teny Imeritsiatosika izay rehefa nosakanana ny tao amin’ny faritra manokana sy azo fehezina dia niafara teny an-dalambe. Andaniny, raha somary nisy ny fihenan’ny delestazy ny talata teo, dia somary nangotraka indray omaly. Amin’ny lafiny iray aloha, azo atao ihany izay ny mampandeha tsy tapaka ny herinaratra, izay midika fa delestazy ekonomika noho ny tsy fahampiam-bola toy ny amin’ny fividianana solika no tena misy. Ireo tetikasa mikasika angovo azo havaozina mitarazoka sy makety no betsaka, ny fangejana ataon’ny mafia izay manana tombotsoa amin’ny solika, amin’ny famatsiana herinaratra,… tsy voafehy. Ny EMMO-REG no hamafisina hifehezana ny fahatezeram-bahoaka fa tsy ny olana no vahana. Asa hahomby mandra-pahoviana io famoretana sy fampihorohoroana lava io ? Ho tonga amin’izao ve raha nahomby ny politika momba ny angovo sy ireo fampanantenana poakaty an-taonany maro ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT