SOANIERANA IVONGO

Olona 11 isa nokaikerin’ ny alika romotra


  • Alarobia 24 Aprily 2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo. Ireo no fantatra raha araka ny vaovao azo izay mbola manaraka fitsaboana ao amin'ny Hopitaliben’i Soanierana Ivongo hatramin’ny omaly Talata 23 Aprily hariva fotoana nanoratanay. Ahitana zaza vao 4 taona monja ireo olona 11 isa ireo, nivoaka ny tokantranony ka nilalao teo an-tokontaniny ary sendra ilay alika. Efa misy ny ezaka hataon’ny tompon’andraiktra any Soanierana-Ivongo renivohitra, amin'ny famonoana ireo alika mirenireny sy tsy vita vaksiny. Manodidina ny 10 izy ireo no efa voasambotra hatramin’ny omaly ary efa novonoina sy naterina any amin’ny toerana tokony hisy azy. Mbola betsaka moa ireo olona manana alika any amin’ity distrika iray ity no fantatra fa tsy manao vaksiny ara-dalana ny biby fiompiny, antony miteraka izao aretina haromontana izao. Miteraka haromontana ho an’ilay olona voakaikitr’ilay alika romotra ihany koa anefa izany aretina mahazo ilay biby izany. Tsy azo lalaovina ny fitsaboana azy noho izany ary mety hahafaty mihitsy raha tara loatra.
Nangonin’i Pati
Legende : Nobataina tahaka izao ireo alika romotra efa tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT