Efa lasa tranga mpiseho mahazatra sy tsy mahagaga intsony tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika . Tsy mifidy toerana izy io na an-drenivohitra na eny amin’ny lalam-pirenena ary tsy mijery fotoana na andro na alina
Antony goavana mahatonga izany matetika ny fanaovana ambanin-javatra ny fikojakojana ny fiarakodia ara-potoana. Eo ihany koa ny setrasetra sy ny tsy fitandremana isan-karazany na koa tsy fifehezana tsotra izao ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Ankoatra ny fitondrana takaitra dia tranga tena mampalahelo amin’ny lozam-pifamoivoizana izay tsy azo ihodivirana ny famoizana ain’olona izay sarobidy tokoa. Tranga iray izay niseho omaly misandratra andro teny Soanierana, ohatra, ny fifandonana teo amin’ny fiara tsy mataho-dalana iray sy moto iray. Soa aloha fa tsy nisy aina nafoy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.