Efa vonona tanteraka ny lelavola 10,783 tapitrisa avy amin’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo izay 40 %-n’ny vola ilaina amin’ny fampidiran-jiro eny amin’ny tanŕna fifindra-monina karakarain’ny Hafari Malagasy
, hoy Rafenomezantsoa Jean Nirina, ka hotokanana eo ambany fiahiany ny 24 jolay izao ny firehetan’izany hazavana izany eny an-toerana. Ny 60 %-n’ny hoenti-manana kosa dia fantatra fa avy amin’ny Electricité Sans Frontière. Amin’ity herinandro hitsahina ity kosa anefa dia efa hanomboka hirehitra ny jiro eny amin’ny P.K 67 RN 4 eny Soaniedanana misy ny « Exode Urbain », hoy Atoa Jean Nirina. Teo amin’ny fanatanterahana ny «Education citoyenne » dia tena misaotra anareo namana mpanao gazety rehetra izahay, hoy izy, fa lasa fantatr’izao tontolo izao ny Hafari Madagasikara sy ny ezaka ataony eo amin’ny fijerena ny sosialim-bahoaka ka anisan’ireo vahiny hasaina hanatrika ity hetsika ity ny solontenan’ny Fiombonambe Eoropeanina monina sy miasa eto amintsika ny ambasadin’i Grande Bretagne, ny ambasadaoron’i Etazonia eto amintsika, ny ambasady Algérie sy Inde ary ny « consulat » iranianina eto amintsika ihany koa. Anisan’ny hampahafantarina any koa ny mpisehatra eo amin’ny lafiny fambolena sy fiompiana izay mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa toy ny Agrivet sy Agrifarm, ry zareo ao amin’ny Domaine Fiavo. Hampahafantarina amin’io fotoana io koa ny fisian’ny tetikasa Procom vatsian’ny UE na Fiombonambe Eoropeanina vola mitentina 8 tapitrisa Euros.
Ntsoavina Evariste
SARY : Hahazo hazavana tsy ho ela ny tanàna « Exode Urbain Hafari » any Soaniedanana ity
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.