Soaniadanana Sabotsy Namehana

Fatin-jazarano enim-bolana an-kibo nisy nanary


  • Alakamisy 18 Janoary 2024

Zaza kely mbola enim-bolana an-kibo no nisy nanary teny

amin’ny Fokontany Soaniedanana Sabotsy Namehana, araka ny vaovao avy eny an-toerana omaly. Ankizy sendra nilalao no nahatsikaritra « Sachet » maintimainty teo amoron-drano, izay nisy ny fatin’ity zazarano ity. Ireo zaza ireo indray no nitatitra tamin’ny olon-dehibe teo an-tanana, ka dia vory ny ny manodidina nijery sy namantatra. Araka ny filazan’ny lehiben’ny Fokontany dia tsy nisy nahatsikaritra ny olona nahavita izao zava-doza izao ny tety amin’ny manodidina, fa tombanana ho tamin’ny andro alina no nanariana azy ity, fa misy kosa ireo mponina milaza fa mety navalany tamin’ny rano izy, nentin’ny rano, ka izao tafapetraka eto amin’ny Fokontany Soaniedanana izao, hoy ny vaovao sy fanazavana. Rehefa nampandre ny zava-misy tamin’ny Ben’ny tanana ny mponina, ka naniraka ny ekipany nidina teny an-toerana, sady nitondra lamban-drazana hamonosana ny ny maty. Nentina nalevina teny Manantenabe, izay toeram-pandevenana ny vahiny lavin-kavana eto Sabotsy Namehana moa izy io taorian’ny fitsirihana.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT