Soalihy Moussa

Nahazo fahafahana ambany fanaraha-mason’ny fitsaràna


  • Talata 06 Janoary 2026

Raha ny fampitàm-baovao voaray farany izany

dia nahazo fahafahana ambany fanaraha-mason’ny fitsaràna na «sous contrôle judiciaire» ny mpahaifiarahamonina sady filozofa, izay efa tomponandraikitry ny iraka na «chargé de mission» teo anivon’ny fiadidiana ny repoblikan’i Madagasikara teo aloha, Soalihy Moussa. Tsy niova kosa ireo vesatra niampangàna azy fa ny resaka fanohitohinana ny fiandrianam-pirenena na «atteinte à la sûreté de l’Etat», ny fanakorontanana na «déstabilisations» ary fiantsiana fankahalàna na «incitation à la haine». Omaly hariva no nody an-trano namonjy ny vady aman-janany ity mpanolontsain’ny filoha lefitra faha 7 eo anivon’ny antenimieram-pirenena, na ny filohan’ny mpanohitra, ny depiote Philobert Milavonjy, ity. Maro tamin’ireo mpanara-baovao, mpanao politika avy amina firehana samihafa, mpandinika, mpamakafaka ny raharaham-pirenena, tetsy ankilany, no nankahery hatrany an’i Moussa Soalihy hatramin’ny fotoana nisamborana azy teny 67ha hatramin’ny omaly ary naneho hevitra fa olon’ny fiarahamonina sy niezaka nitondra fanehoan-kevitra tamim-panajàna hatrany ity tomponandraikitra teo anivon’ny fitondràna teo aloha ity ary maha velom-panontaniana azy ireo hatramin’izao ireo fihetsika voalaza ho nataony ka nahatonga iny fisamborana sy fiampangàna azy ireny, raha ny angom-baovao voaray hatramin’ny omaly hatrany.
Nangonin’i J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT