SOAINDRANA VOHIBATO

Omby miisa 40 no maty nilatsaham-potaka


  • Alatsinainy 28 Aprily 2025

Omby miisa 40 no indray nilatsaham-potaka afak’omaly sabotsy 26 aprily tany amin’ny

Kaominina ambanivohitr’i Soaindrana, distrikan’i Vohibato. Raha araka ny vaovao azo tamin’ny sefom-pokontany Iharanany Ouest dia tokony ho tamin’ny 6ora hariva no nitrangan’izany, tao amin’ny tanàna iray ampitan'ny EPP Ambalamitsinjony, ampita atsinanan'ny rano. Ombin'ny mpandranto avy any Fotadrevo Ampanihy saika ho entina aty Antananarivo moa izy ireo. Efa tonga tany an-toerana nanao ny fizahana ireo polisy avy amin’ny FIP. Tsy maintsy novonoina tao an-toerana ihany moa ireo omby ireo raha araka ny loharanom-baovao azo. Tsiahivina fa mbola tena masiaka ny varatra any amin’ny faritra eny fa na dia ny etsy ivelan’Antananarivo renivohitra fotsiny aza. Ireny no baikon’ny sasany hikapana kitay raha misy ihany koa ireo mampiasa izany mba hamonoana olona na handripahana fananan’olona tahaka izao.
Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT