SKATE PARK ANTANIMENA

Niova endrika, nolokoina miavaka


  • Alatsinainy 28 Jolay 2025

Niova endrika tanteraka ny Skate Parc Antanimena.

Tanjona ny hitondrana ainga vao ho an’ny tontolon’ny fanatanjahan-tena sy ny tanora. Afak'omaly Sabotsy 26 jolay no nanokanana tamim-pomba ofisialy ny foto-drafotrasa. Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny OKALOU sy ny WOCO ity fanovàna ity izay manakaiky hatrany ny tanora malagasy. Tsiahivina moa fa ny Skate Park Antanimena dia ambohimpihaonan’ireo mpankafy riders, mpilalao skate ary ireo mpanaraka ny kolontsaina antanan-dehibe. Ankehitriny dia nomena endrika vaovao manentanentana sy maoderina izy, mifanaraka amin’ny maha izy ny WOCO. Mampirisika ny famoronana, ny fanehoana talenta ary ny fifampizarana araka izany ny fiaraha-miasa, izay soatoavina iraisan’ny mpilalao skate sy ny marika. Manamafy ny fifandraisan’ny WOCO amin’ny tanora ity endrika vaovao ao amin’ny Skate Park ity izay toerana mamelona ny aingam-panahy, taratry ny angovo ananany.
Pati
Légende : Tahaka izao ny nandokoana ilay toerana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT