Efa fantatrareo fa voararan'ny lalàna ilay izy fa fampahatsiahivana sisa no ataonay,
hoy ireo mpitandro filaminana nampahatsiahy fa tsy tokony amidy sy tafian’ny sivily ny fanamiana mitovy loko amin’ny an’ny mpitandro filaminana. Ny 14 febroary izao no fetra farany, hoy ny zandarimariam-pirenena. Dila ny andron'ny mpifankatia dia misaraka amin'ny fanamiana mitovy didy sy/na mitovy loko amin'ny mpitandro ny filaminana ny sivily rehetra. Tsy an-kanavaka io na mpanakanto na mpanao varo-mandeha na mpamily kamiao na mpandihy kilalaky na mpitaingina tamboho na mpanivana volamena na mpiandry omby na olona andeha hody any an-tranony. Tonga dia aza anaovana intsony azafady indrindra mba tsy hisian'ny olana rehefa mifanena isika ka hifanazava sy hiala tsiny eo indray dia hanandrana handresy lahatra amin'ny kolikoly sy hiantso an'i dadatoa sy neniraivo. Fepetra hentitra no raisina mba hisorohana ny fampiasan'ny olon-dratsy ny akanjon'ny mpitandro filaminana. Na izahay mpitandro filaminana aza tsy mahazo manao an'ireny «tenue bordel ou panaché» ireny fa rehefa miasa dia manao fanamiana ara-dalàna ary rehefa tsy am-perinasa dia manao fanamiana sivily. Misaotra amin'ny fahatsiarovan-tenan'ny tsirairay. Tsy azo amidy intsony ireny dia aza manafatra azy amin'ny «balle fripe» intsony koa, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.