Nihenjan-droa indray ny tady eo amin’ireo Sinoa mpitantana ny orinasa Ouest Sucre na Sirama Namakia sy ny mpiasa ao
Resaka fandovana ireo tombontsoan’ny mpiasa no niandohany ary niitatra tamin’ny fanaovan’ny mpiasa nomban’ny vady aman-janak’izy ireo sakana amin’ny lalana mihazo ny orinasa izany. Nikatso tsy afa-nihodina nandritra ny efatra andro ny orinasa tamin’ny herinandro lasa iny. Nidina tany an-toerana ny iraky ny minisiteran’ny indostria sy ny avy amin’ny Faritra Boeny, nanelanelana sy nitady vahaolana. Taorian’ny fifampidinihana dia re fa nanaiky hanala ny sakana ka hiverina hiasa ireo mpiasa. Ireo sinoa mpampiasa anefa etsy an-kilany mitaky ny handroahana ireo mpiasa nitarika fitokonana ka nampikatso ny asa, ary toa efa nivonona tamin’ny hampiasa hery amin’ny fanatanterahana izany aza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.