Actualités

Sipomad Ambohimanambola Nirehitra ny « Magasin de stockage des déchets »


  • Zoma 12 Jona 2020

Nirehitra nidedaka afo omaly alakamisy 11 jona 2020 ny « Magasin de stockage des déchets » ao amin’ny orinasa Sipromad Ambohimanambola mifanila bodirindrina amin’ny orinasa Papmad sy 100 metatra mahery kely miala ny toeran mpamokatra « Gaz » an’ny orinasa Total.

 

 Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina mahery kely tany ho any no nanomboka nirehatra ity toerana ity ka adin’ny roa taty aoriana vao maty tanteraka ny afo nidedadeda tao aminy rehefa nifandrimbonan’ny Orinasa Total nampiasa ny fitaovana famonoana afo sy rano tao aminy ary « moto pompe » iray sy ny « Pompier » avy etsy Tsaralàlana nitondra fiara niisa 5 nahitana mpamonjy voina 23 sy « moto pompe » 3 ary ny Cpc avy eny Ampahibe nitondra fiara 1 sy mpamonjy voina 12 ary « moto pompe » iray ny famonoana ny afo rehefa nampiasa ny rano avy ao amin’ny Total sy ny dobo mifanila amin’ny orinasa Papmad. Tsy olona nafoy na naratra tamin’ity loza ity fa ireo antontan’entana izay nahitana ravina paraky maina betsaka ary natahorana hiredareda fatratra no maro kila forehitra satria miaraka vondrona amin’ity orinasa Sipromad Ambohimanambola ity ny orinasa Focus mpamokatra sigara toy ny « first » sy « Apache » sns… Mbola tsy voatombana kosa ny teti-bidin’ny zavatra simba tamin’ny nialana teny an-toerana omaly atoandro.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT