Actualités

Sinoa zanatany sy Sinoa vao tonga Tokony havahana tsara, hoy ireo Sinoa ao Toamasina


  • Zoma 20 Oktobra 2017

Manoloana ny disadisa mikasika tany iray mirefy 100 ha ao Antanambao Toamasina faharoa izay hifanenjehana teratany Malagasy sy sinoa mizaka ny zom-pirenena Malagasy monina eto an-toerana dia nanazava ireo sinoa fa azy ireo ny tany.

 

 Nanamafy izany koa ny ben’ny tanànan’i Fanandrahana, izay miadidy ny fokontany ao Antananambo, misy ity toerana mitondra ny anarana hoe Ambala Mahombo Bonheur 04 ity, raha ny fampitam-baovao. Sinoa no tompon’ny tany hatrany am-boalohany ary mbola sinoa koa avy eo no nandimby azy. Taty aoriana dia lasan’ny banky iray ny tany rehefa tsy nahaverina ny vola nindraminy ilay sinoa. Mbola sinoa mizaka ny zom-pirenena Malagasy efa nanana razambe teto hatry ny ela ihany koa anefa avy eo no niverina nividy ny tany ny taona 2002. Gaga anefa ilay sinoa amin’izao fotoana izao, hoy ny fanazavana, fa misy olon-kafa milaza ho tompon’ilay tany ary nandrava ny fefy nataon’ilay sinoa ka nahatonga azy voatery nitory ary nahatafiditra am-ponja ilay nandrava. Marina, hoy ny fanazavana, fa voasoratra ao anatin’ny lalàmpanorenana fa tsy azo atao ny mivarotra tany amin’ny vahiny saingy tokony havahana kosa ireo sinoa efa ela nonina teto izay mizaka zom-pirenena ka zanatany sy ireo sinoa vao tonga.

J. Mirija 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT