Sinoa tsimatimanota

tamin’ny fitondràna teo aloha…


  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Maha velon-taraina ireo mponina ao Ambohimarina, Brickaville

Velon-taraina ankehitriny ireo mponina ao amin’ny fokontanin’Ambohimarina, kaominin’ambanivohitr’i Ambalarondra, distrikan’i Brickaville, Faritra Atsinanana, fa noho ny hetraketraka teratany sinoa iray, izay maka an-keriny ny tany iveloman’izy ireo, antsoina hoe Ampitamalandy Ambohimarina, TN: 1487-BC, hoy ny fampitàm-baovao voaray omaly. Maro ny volin’izy ireo anatin’io tany io, hoy ny fanazavàna. Isany ny jirofo, kanelina, litchi sy ny maro hafa. Tsimatimanota tamin’ny andron’ny fitondràna teo aloha io olona io, hoy ny fitarainana. Afaka nanagadra olona fahatany tamin’ny tsy antony. Milaza io olona io fa tsy misy manam-pahefàna afaka manakana azy. Mahagaga tokoa fa isaky ny manao zavatra amin’ny taniny ireo mponina dia nisy zandary tonga nisambotra. Tapitra amidin’ity metisy sinoa ity avokoa ny volin’ireo mponina efa nahazoany 60 tapitrisa Ariary. Hatramin’izao dia mbola mandrahona olona sy milaza ho tsy misy fanjakàna afaka hanagadra azy ity vahiny mihetraketraka amin’ireo tantsaha ity ary milaza ihany koa fa mahafantatra ireo olona ao amin’ny fitsaràna sy ireo olona ambony eto amin’ny firenena ka tsy hisy afaka hanagadra azy, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray. 1890 no efa niorina ity tanàna ity ary 1978 no niforona ny fokontany fa mbola tsy nisy nifindra monina nanomboka tany amin’ny razambenay, hoy ihany ireo mponina, kanefa dia sahy mihetraketraka izao ny vahiny.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT