Actualités

Sinoa mpitrandraka volamena Voasambotra noho ny fampiasana "Mercure" mampidi-doza


  • Alarobia 22 Martsa 2023

Voasambotra omaly 21 martsa 2023 ireo teratany sinoa telo tao Marokoro, Maevatanana noho ny fitrandrahana tsy ara-dalàna.

Tsy nanara dalana izy ireo amin'ny fampiasana milina mavezatra. Tsikaritra tamin'izany ihany koa fa mampiasa "mercure" mampidi-doza sy manimba tontolo iainana ireto sinoa ireto. Fitaovam-pitrandrahana tsy nahazoana alalana ao amin'ny reniranon'Kamoro, kaominina Marokoro, disitrikan'i Maevatanana raha ny nambaran'ny minisitry ny harena an-kibon'ny tany sy loharanon-karena stratejika. Tratra teo amperin'asa mihitsy ireto sinoa ireto teo am-pitrandrahana volamena tsy ara-dalàna. Nogiazana avokoa ireo fitaovana izay nampiasain'ireo ka anisan'izany ny milina lehibe , sambo, "drague à godets" ary "tapis" fanivanana volamena sy solika raha ny nambaran'ny ministera. Mampametra-panotaniana ny tsy nahitan'ny manam-pahefana tany an-toerana sy ny mpitandro filaminana izao fitrandrahana lehibe tsy manara-dalàna izao. Eo ihany koa ny fomba nahatafidiran'ireo fitaovana lehibe ireo tany an- toerana izay tsy maintsy notaterina tamina fiara lehibe. Manana tanjona ny minisitera ahitana ireo izay tena atidoha mikotrika amin'ity fanondranana harem-pirenena an-tsokosoko ity. Efa mandeha ny fanadihadiana ireo sinoa voasambotra. Nahitana toeram-pitrandrahana tsy ara-dalàna samihafa ankoatran'ny tao Madisovato tao amin'ny kaominina Marokoro moa tany an-toerana, raha ny nambaran'ny minisitera hatrany.
Princy Lucas
Legende : ilay milina tsy ara-dalana nampiasain'ireo Sinoa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT