Nifarana omaly alahady rehefa naharitra hefarana ilay hetsika ara-barotra nokarakarain’ireo Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara na ny SIM. Nilaza ny mpikarakara fa afa-po izy ireo ary tafita ny hafatra satria niverina ny fahatokisan’ny
Malagasy ny vokatra vita avy eto an-toerana, hoy izy ireo. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nezahina ny nampandraisana anjara ireo orinasa tena Malagasy ary mamaly ny filan’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro. Raha ho an’ny mpitsidika indray dia nahaliana ny maro ireo tranoheva misy ny orinasa mamokatra ny angovo azo avy amin’ny masoandro ho lasa angovo mamokatra herinaratra. Nambaran’izy ireo fa mitady vahaolana izy ireo mba hialana amin’ny fisian’ny delestazy lavareny ka ny fampiasana fitaovana tahaka itony no mety raha ny nambaran’ny mpitsidika hatrany. Tonga maro tokoa ny olona raha ny andro farany omaly satria tombanana ho 40.000 ireo mpitsidika ka hita ho samy nahazo ny anjarany ny tsirairay. Nilaza ny tompon’andraikitra fa ho avy tsy ho ela ny andiany manaraka amin’ny hetsika ary hezahina tsaratsara kokoa hatrany ny zavatra omena sy atolotra ny mpanjifan’ny vita Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.