Actualités

Sidina Tsaradia Takiana 100.000 Ariary saran’ny fitilana PCR ny mpandeha


  • Alakamisy 27 Aogositra 2020

Hosokafana miandalana ireo sidina anatiny manomboka ny 1 septambra 2020, mampitohy an’Antananarivo sy Sambava, Antsiranana, Taolagnaro, Toliara, Nosy Be, Toamasina, Mahajanga, Sainte-Marie,

 

 

 Maroantsetra ary Morondava araka fanazavana nataon’ny minisitry ny Fitaterana, ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro, Randriamandranto Joël, tao amin’ny fahitalavim-pirenena TVM, mahakasika ireo fepetra ho an’ny fitaterana, izay nambaran’ny Filoham-pirenena ny alahady lasa teo. Tsy maintsy manao fitiliana PCR roa andro mialoha ireo mpandeha ary mampiseho izay valin’izany milaza fa tsy voan’ny Covid 19 eo am-piaingana. Ho an’ireo handray ny sidina Tsaradia dia mandoa 100.000.Ar isan’olona ny mpandeha Sambava - Tana ho saran’ny fitiliana PCR atao azy ireo eny ampahatongavana Ivato araka ny filazana nataon’ny masoivohon’ny Air Madagascar tamin’ireo mpandeha naka tapakila omaly tao Antalaha.

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT