SIAE ANDIANY FAHA-13

Ahitana kojakoja maro miaro ny tontolo iainana


  • Zoma 07 Jona 2024

Mihasimba hatrany ny tontolo iainana eto amintsika. Antony miteraka ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ireo karazana

aretina mahazo ny mponina izany ka tsy maintsy hanaovana ezaka manokana. Anisan’ny mandray anjara amin’ilay « Salon International des Acteurs Economiques » andiany faha-13 tanterahina etsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka ny Ministeran’ny Tontolo iainana. Tanjon’izy ireo ny hanome lanja manokana ny fampiroboroboana ny toe-karena sy ny fiarovana ny tontolo iainana.Eo ihany koa ny mba hahafahana manamafy ny fampiroboroboana ny seha-pihariana maitso sy ny fanentanana ireo mpandraharaha ara-toekarena maro mandray anjara mba hiroso amin’ny fametrahana ny modelim-pitantanana manome lanja ny fiarovana ny tontolo iainana izay antoky ny fandrosoana lovainjafy. Rahampitso Sabotsy 08 Jona moa no hifarana tanteraka ity hetsika ity.
Pati
Legende : Hita sy hampahafantarina mandritra ity salon ity ireo karazana saribao vaovao amboarina amin’ny akora hafa tsy ilana fanapahana hazo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT