Actualités

Sherritt Ambatovy Handroaka mpiasa 1200 ?


  • Zoma 19 Jona 2015

Ankoatra ny Air Madagascar sy ireo sehatr’asa mitokona ankehitriny dia mamofompofona fitokonana ratsy be ihany koa ny orinasan’ny Sherritt any Ambatovy

 

. Mahatratra  500 ankehitriny ireo mpiasa malagasy naato amin’ny asany  hatramin’izao ary mandeha  be ny feo fa  tsy hijanona  ny fandroahana raha tsy  1200. Ny Mahagaga anefa  dia  mahoraka fa hampiditra mpiasa vahiny  avy any Philippine ity orinasa  kanadianina, mpamokatra nikela sy kobalta ity. Mpiasa vahiny  izay lafo karama sady  mbola andoavana  saran-dalana avy any lavitra. Ny hany tombony dia tsy afaka  mitokona  isaky ny taitaitra ny mpiasa vahiny. Mandeha  ny feo ao Ambatovy ao fa tsy vitan’ny  maty antoka amin’ny fitotonganan’ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny  orinasa Sherritt  fa mbola misy vola  betsaka ihany koa very, antony nahatonga izao fandroahana  mpiasa  Malagasy izao. Re ihany koa fa efa nisy mpitondra fanjakana  ambony  sy minisitra efa  nandeha tany an-toerana fa ny anton-dian’izy ireo no tsy fantatra  mazava.


Andry Ratovo       

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT