Actualités

Serge Zafimahova « Tsy mangarahara mihitsy ilay fitantanana »


  • Zoma 10 Aprily 2020

Natao fihibohana ny olona tonga tamin’ny fiaramanidina, ary tsy izaho no mandainga fa ny filoham-pirenena no niteny fa 3000 avy eo taty aoriana lasa 5000.

 

 

 

Tamin’ilay 3000 dia nisy olona 1200 na 1300 teo nalefa tany amin’ny hotely natao “quarantaine”, hoy Atoa Serge Zafimahova mpandrindra ny Vovonana politika Dinike. Ny tokony ho fantatsika dia izao hoe ny olona nalefa tany amin’ny Hotely dia nahazo 300 000 ary ny hotely nahazo 300 000 ariary isan’andro, hoy izy. Nahitsy I Serge Zafimahova naneho fa tsy misy mangarahara mihitsy ny fitantanana amin’izao fitondrana izao. Ny mampalahelo dia izao hoe:ireo vahoaka nandray taksibrosy dia inona moa no andraikitra (mésure d’accompagnement) avy amin’ny fanjakana momba ny fahasalaman’ izy ireo sy ny fahasalamana any amin’ny faritra hahatongavan’izy ireo, hoy izy. Ny OMS dia nanome vola 32 tapitrisa dolara. Nanome fanomezana tsy haverina 4 tapitrisa dolara, ary mbola nanome 100 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena. Misy ny haverina ary misy ny trosa. Ny an’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) dia 170 tapitrisa izay trosa. Raha hatambatra dia manome 301 tapitrisa dolara eo ireo vola ireo. Ahoana ny fitantanan’ny fanjakana an’io fa hatramin’izao tsy nisy fanazavana sy tsy nisy mangarahara mihitsy momba ny fitantanana ny vola? Hoy I Serge Zafimahova. Nambarany fa ratsy tantana ary tsy mangarahara. Firy amin’io no efa voaray ary nolaniana tamin’ny inona io vola io, hoy hatrany Atoa Serge Zafimahova. Efa naneho hevitra mitovitovy amin’izao moa ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay nanipika fa tena ilaina ny fangaraharana. Tsy misy olona tokony havakavahana, ary tsy tokony asiana loko politika sy hoentina mampalaza ten any fanampiana amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT