Actualités

Serge Imbeh Jovial “Mila mamokatra isika fa tsy manafatra entana lava”


  • Talata 28 Martsa 2023

Misy aditeny politika na “tension politique” eto, hoy ny mpahaitoekarena, Serge Imbeh Jovial. Azo refesina amin'ny hoe mpitandro filaminana etsy sy eroa sy fanambarana politika tato ho ato izany, hoy izy.

Misy ny demokrasia saingy mbola sadasada. Tsy tena afaka maneho ny heviny ny olona. Misy fotoana ianao matahotra haneho hevitra satria sao dia hoe voaantso ary na atsy. “Trop de loi, tue la loi” na hoe rehefa be loatra ny lalàna apetraka dia lasa misy lalàna tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fampiharana azy. Tsy ny lalàna no olana fa ny fanajana ny lalàna, hoy i Serge Imbeh Jovial. Misy ny etika sy deontolojia mila hajaina. Rehefa tsy ao ny finiavana hanaja ny lalàna voasoratra dia tsy misy dikany ny zava-drehetra voasoratra. Sao dia izao no mety amintsika? Fitiavan-tanindrazana no tokony hany mibaiko rehefa mametraka lalàna ianao na manapa-kevitra fa ny olana eto, mametraka zavatra mifanaraka amin'izay heveriny fa metimety aminy ireo mpitondra. Mieritreritra ny vahoaka sy ny firenena ianao rehefa mpitondra fa tsy hoe mieritreritra ny tenanao sy ny fianakavianao. Tsy nahatsapa aho hoe mandroso eo amin'ny resaka demokrasia isika. Toa mihemotra aza raha ny fahitako azy. Inona no olana vahana? Avy aiza ny famatsiam-bola ary ahoana no hamahana azy? Fohy ezaka, antenantenan'ezaka, lavitr'ezaka! Ny mpanao politika no manabado sy mampahantra ny vahoaka malagasy. Tsy mbola manana ilay hoe tombotsoa ambonin'ny firenena isika. Resahana atao dokam-barotra sy propagandy fotsiny io fa tsy tanteraka.
MILA POLITIKA IOMBONANA MAZAVA
7 miliara dolara isan-taona no tokony hiditra amin’i Madagasikara amin'ny harena an-dranomasina ananany, hoy ity mpahaitoekarena ity, fa nahoana isika no mitalaho mangataka FEC (Facilité élargie de crédit) 35 tapitrisa dolara? Asio politika iombonana fa tsy mamono afo isaky ny misy mamay amin'ny seha-pihariana. Mbola tsy tafiditra teto ny Covid dia efa nisy resaka nifanaovana tamina mpikambana ao amin’ny governemanta ka dia hoe ahoana no hiarovana ny vahoaka? Ahoana no hanampiana ny sehatra tsy miankina? Ahoana ny fampiarenan-doha ny toekarena? Mila drafitra io. Tsy haintsika ny manavaka ny “important” na zava-dehibe sy “urgent” na ilaina maika. Ny firenena hafa efa tsara ny lalana ao aminy vao manao teleferika. Mila mamokatra isika aloha, mahavelontena ara-tsakafo, manana ireo zavatra ilaintsika dia manondrana entana ; saingy indrisy fa dia ny manafatra entana no tena ataontsika aloha amin’izao. Sahirana ara-bola mazava ho azy, hoy hatrany izy ary rehefa ny vola izay no tsy misy, sarotra ny raharaha.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT