Serge Imbeh Jovial

« Manafintohina ireny, reharehako ireo mpampianatra namolavola ahy ! »


  • Alarobia 13 Aogositra 2025

Ny teninareo dia tsy vitan’ny hoe nampisavorovoro fotsiny, fa naneho

fahatafintohinana sy fanambaniana ihany koa. Fanambaniana ho an’ireo manam-pahaizana. Fanambaniana ho an’ireo mpikaroka an’arivony, mpampianatra, dokotera, injeniera… Malagasy », hoy i Serge Imbeh Jovial izay efa kandida Filoham-pirenena, Mpahay toekarena miasa any ivelany,… nitondra setriny ho an’ny Talen’ny Seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika sady Mpitondra tenin’ny Filoham-pirenena manoloana ny filazana fa tsy misy intsony izany profesora Malagasy tena hoe mahay amin’izao fotoana izao. Tsy ny Ministeran’ny Fahasalamana irery, hoy i Serge Imbeh Jovial no tokony handrefesana ny maha-mpampianatra, izay mametra ny fanadihadiana amin’ny hoe “poizina, ary poizina fotsiny” izay indrisy, nitarika voka-dratsy mavesatra vokatry ny politika, fa tsy vokatry ny teknika. Nahitsy ny tenany nilaza fa ny olona mitana andraikitra amin’ny sehatra ho an’ny daholobe dia tokony hamerina impito ny fiteniny alohan’ny hitenenana. « Hitako fa misy olona zatra manambany vahoaka, nefa tsy azo ekena ny fanambaniana manam-pahaizana avy amin’ny vahoaka.Izaho dia vokatra madio avy amin’ny tanindrazako, ary mirehareha amin’izany. Nanao ny fianarako rehetra ambaratonga voalohany, faharoa, ary oniversite teto Madagasikara aho, alohan’ny nidirako tao amin’ny sekoly doktoraly any Toulouse, miompana amin’ny sehatry ny Fitantanam-bola amin’ny tsenan’ny vola. », hoy hatrany ity manam-pahaizana Malagasy ity. Ankehitriny, ao anatin’ny rafi-pitantana amin’ny andrim-panjakana ara-bola lehibe iray aho ! Mitantana miliara amin’ny fananana (Asset Under Management), ka ifaninanana amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fandraisana anjara amin’ny tetikasa ara-bola amin’io », hoy izy izay nanamarika fa mbola manohy mizara fahalalana sy fahaiza-manao amin’ny oniversite ihany koa, ary mandray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny fikarohana amin’ny sehatra iasany. « Izany rehetra izany dia vokatry ny ezaka sy fanoloran-tenan’ireo mpampianatra izay noteneninareo tamin’ny fomba manambany nefa izaho dia mirehareha amin’izy ireo. Azo atao ny miaro politika iray nefa tsy mamely na manambany ny hafa ary izany no maha samy hafa ny manam-pahaizana sy ny olona manambany. Ny teninareo dia manome aingam-panahy ny olona handositra ny tanindrazany, amin’ny fotoana izay tena ilain’ny firenena ny fahaiza-manaon’izy ireo. Tsy misy fanodikodinam-pitenenana, Ramatoa hajaina, satria nihaino tsara izahay, ary mazava tsara ny teninareo. », hoy hatrany i Serge Imbeh Jovial. Ny fialan-tsiny (mea culpa) nataonareo dia dingana voalohany, saingy ny fiovan-toetra no tokony ho maharitra, satria izany irery ihany no afaka manatsara ny ho avy, hoy izy. Nomarihin’i Serge Imbeh Jovial, ny Minisitra sy ny Filohan’ny SECES tamin’ireo sary dia toa izy ireo indray no lasa misy endrika maneho fialan-tsiny. Nahoana no tsy izy no manatona anareo, fa ianareo no antsoina sy voatery mankany amin’ny biraony mba hihaino fialan-tsiny? Heverinareo ve fa ara-dalàna izany? Hoy i Serge Imbeh Jovial.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT