Serasera momba ny fahatapahan-drano

Tsy maha rototra mpanara-baovao intsony


  • Alatsinainy 15 Janoary 2024

Efa zatra, hoy ireo mponin’Antananarivo, sy ny manodidina.

Santionan’ny resaka teny amin’ny tambazotran-tserasera sy teny amin’ny fiarahamonina rehetra teny izany tamin’iny faran’ny herinandro. Ny anay efa tapaka foana na misy na tsy misy filazana, hoy ny sasany. Tsy hita akory izay akony, hoy ny hafa. Inona tokoa moa izany izao no mba fivoarana nentin’ilay serasera momba ny fahatapahan-drano teo amin’izay lafiny famatsiana rano izay, indrindra, ho an’ireo fokontany sy kaominina ary boriboritany malaza ho efa mpijaly amin’izany teo aloha teo raha tsy hitanisa fotsiny afa-tsy ny eny Itaosy na ny eny amin’ny boriboritany faha 5 eny ohatra? Toy izany koa ity olan’ny herinaratra ity. Rahoviana ihany no tena ho tonga ny vahaolana maharitra sa ho vokisana serasera sy sarisary toy ny hatramin’izay 5 taona lasa izay hatrany indray aloha ny vahoaka mandritr’izao 5 taona hoavy izao? Ho hita eo izay ho afitsok’ireto governemanta vaovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT