Seranantsambon’i Toamasina

Fiara 300 atao lavanty avy eo horavana sy hotapahana


  • Alakamisy 25 Aprily 2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

misy fepetra ireo fiara tsy nahazoana famotsorana haba mipetraka ao amin'ny seranantsambon'i Toamasina, araka ny posa-kevitry ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Miisa 300 eo ireo fiara miangona ao an-toerana izay nambara fa manohitohina ny fivezivezena eo anivon'izany seranantsambo izany. Ny ankamaroany dia fiara eo an-kavanana ny familiana na nipetraka tao an-taonany maro. Nankatoavina ny fandravana sy fanapahana ireo fiara ireo ao amin'ny seranantsambon'i Toamasina ihany, ary ny hanaovana izany lavanty misy fepetra. Mba hialana amin'ny mety hanambarana indray ireo kojakoja noravana ireo (pièces détachées) dia ho tapaha ny "chassis" misy laharana hamantarana azy, esorina ny takelaky ny nanamboatra ny fiara (plaques constructeurs). Ny nahazo ny lavanty no mandray an-tanana ny saran'ny fandravana sy fanapahana izay atao eo ambany fanaraha- mason'ny sampan-draharahan'ny fandintseranana sy ireo sampan-draharaha teknika voakasika ary koa ny DGSR. Misy lalàna mazava mifehy ary komity manokana mikarakara io lavanty io, anatin'izany indrindra ny fampahafantarana amin'ny daholobe amin'ny alalan'ny haino vaky jery isan-tsokajiny mba tsy hisian'ny kitranoantrano fa afaka handray anjara malalaka izay te-hanao izany, hoy ny fanamarihana.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT