Actualités

Seranan-tsambon’i Toamasina : Fiara vao tonga nisy nangalatra, tratra teo am-bavahady


  • Zoma 26 Febroary 2010

Efa miseho azy ho maranitra sy be tetika mihitsy ireo jiolahy mihaja tonga manao halatra eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Miasa anaty tambazotra izy ireo satria ahitana “transitaire” sy mpiasan’ny ladoany manampy sy manamora ny halatra ataon’ireto jiolahy mihaja ireto.

 

Ny sabotsy 19 febroary teo izao, fiara roa vao tonga avy any ivelany, miandry ny tompony hamoaka azy teo anivon’ny toby fiantsonan’ny fiara, no lasibatr’ireto jiolahy ireto. Tsotra ny fomba nataon’izy ireo nandritra izany. Nisy ny fiantsoana mpanamboatra fiara hanamarina fa mbola mandeha tsara ny motera. Teo dia efa voaomana ny tetika fa raha vao velona ny fiara dia ovana laharana Antananarivo ilay izy ary avoaka tahaka ireny mpiasa avy miasa eo anivon’ny seranana ireny, na tahaka ireo manao fitsidihana ao anaty seranan-tsambo ireny koa. Tsy nety anefa ny tetika teo, fa tsy mety velona ireo fiara roa saika hangalarina ireo, ka voatery naka fiara hafa avy aty ivelany hisintona azy. Teo am-boalohany dia nety ny tetika natao, satria efa voasolo ny laharan’ny fiara izay natao laharana Antananarivo. Ny zavatra hadinon’izy ireo kosa anefa dia ny famafana ilay soratra tamin’ny tsaoka teo amin’ny vatan’ilay fiara sy teo amin’ny fitaratra anoloana, milaza ny fotoana nidirany tao amin’ny fiantsonana, teo koa ilay kipetaka na “auto-collant” teo ambonin’ilay fiara milaza ny fotoana nanondranana azy sy ny mombamomba ny tompony ary ny sambo nitondra ilay fiara. Saika tafavoaka ny vavahady ihany izy ireo, fa noho ireo zavatra tsy tandrina ireo dia tratra ambodiomby ireto nangalatra fiara roa teo anivon’ny seranan-tsambo ireto.
Tsy vao sambany izao, hoy ny mpitandro ny filaminana manara-maso ny seranana, efa matetika ary mahita hirika sy fomba hatao hatrany ireo jiolahy mihaja ao amin’ny seranan-tsambo ireo. Tsy mandeha irery anefa izy ireo, fa mifanampy betsaka amin’ny mpiasa mpamoaka entana sy ny ladoany, ary eo no mazàna olana satria tsy hay intsony ny manavaka ny vary sy ny tsiparifary. Efa eny amin’ny fitsarana Toamasina ny raharaha ankehitriny.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT