Actualités

Seranam-piaramanidina Ivato Voahaja ny tetiandron’ny asa fanavaozana


  • Alakamisy 14 Septambra 2017

Mizotra araka ny tokony ho izy ny asa fanavaozana sy fanatsarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato, telo volana taorian’ny nandalovan’ny filoham-pirenena teny an-toerana.

Niantso mpanao gazety nijery ny fizotry ny asa omaly ny tale jeneralin’ny Ravinala Airports Atoa Vincent Devauchelle sy ny talen’ny tetikasa Atoa Jean-Louis Fuz. Fantatra nandritra izany fa hanjary hanana velarana 17.500 m2 ity seranam-piaramanidina iray ity aorian’ny fahavitany amin’ny taona 2020 raha araka ny tetiandro napetraky ny orinasa CMBI eo anivon’ny vondrona Colas izay manatanteraka ny asa. Efa vita tamin’ny volana aogositra lasa teo ny fandrakofana ny Aérogare vaovao. Efa misoro amin’ny fikarakarana ny fototr’ireo fotodrafitrasa vaovao indray ny orinasa ankehitriny hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena izay iarahana amin’ny “Association du Transport Aérien International” (IATA). Ny 50 %-n’ny asa no efa vita manana halalina hatrany amin’ny 20 m. Olona 400 isa isan’andro no manatanteraka miaraka amin’ny seranan-tsambon’i Nosy-Be. Tsiahivina fa kasaina hahazaka mpandeha hatrany amin’ny 1.500.000 isan-taona ity seranam-piaramanidina nasiam-panavaozana ity raha 400 kosa ny fiara.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT