Seranam-piaramanidina Ivato

Tsy maintsy faranana ny kolikoly, hisy ny sazy henjana,…


  • Alarobia 24 Jolay 2024

Ny kolikoly isan-karazany, ny fanararaotana ary ny fitakiam-bola tsy ara-drariny dia manimba

ny asa eo amin’ny sisin-tany ao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ary misy fiantraikany ratsy eo amin’ny toekarena, miaraka amin’ny voka-dratsy ho an’ny mpizahatany, ny mpandraharaha ary ireo rehetra tonga hitsidika an’i Madagasikara na ho an’ny asa na ho an’ny antony manokana. Ireo no navoitran’ny Filoham-pirenena izay nidina ifotony teny Ivato omaly. Nambara mantsy fa tanjona napetraka ny hisarihana mpizaha tany mahatratra 970.0000 hatramin’ny 1 tapitrisa amin'ity taona ity ary dingana voalohany amin'izany ny fanatsarana ny tolotra eo anivon’ny seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato. Nanao fivoriana niaraka tamin’ireo mpisehatra samihafa ny Filoha narahin’ireo mpikamban’ny governemantya, ka navoitra fa tsy maintsy faranana tanteraka ny kolikoly. Hisy ny sazy miezinezina hihatra amin’ireo mpiasa voarohirohy amin’ny kolikoly, miainga amin’ny fampitandremana tsotra hatramin’ny fandroahana. Anisan’ny vahaolana natolotra hamongorana ny kolikoly sy ny fanararaotana isan-karazany izay manimba ny endriky ny firenena ny fanamafisana ny fanatontoloana amin’ny alalan’ny «digitalisation » eo anivon’ny sampan-draharaha fikarakarana ny « Visa ». Nomarihiny ihany koa ny hametrahana komity mpanara-maso izay hanomana, hanamarina ary hanara-maso ny lisitry ny mpiasam-panjakana mifamezivezy eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato amin’ny asa sahaniny, mba hisorohana ny fanararaotana. Hisy ihany koa ny rafitra mandeha ho azy amin’ny fampifamadihana ny mpiasa miasa ao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, izay tokony havaozina isan-taona. Ny fanamafisana ny fampahafantarana ny zon’ny mpandeha amin’ny entana tokony halaina na tsia miaraka amin’ny fetra isaky ny mpandeha sy ny entana tsirairay ihany koa dia zava-dehibe, araka ny nambaran’ingahy Filoha. Hohamafisina amin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra eo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra anio izany ary andrasana ihany koa hoe : hisy tompon’andraikitra ambony hoesorina ve ? Dia andrasana indray izany ny vokatra taorian’ny fihetsiketsehana ivelany izay tsy vao sambany!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT