Actualités

Septambra 2014 Fe-potoana napetrak’ireo mpamatsy vola ho an’ny mpitondra


  • Talata 02 Septambra 2014

Migadona ity ny volana septambra 2014 izay ambara fa fotoana manan-danja ho an’ny fiaraha-miasan’ny firenena Malagasy amin’ireo mpamatsy vola isan-karazany

Hatramin’ny nijoroan’ny fitondram-panjakana vaovao tamin’ny volana janoary nanaovan’ny filohan’ny Repoblika fianianana narahin’ny fanendrena ny praiminisitra vaovao miaraka amin’ireo mpikambana vaovao miisa 31 mandrafitra ny governemanta tamin’ny volana aprily mantsy dia niverimberina ny filazana fa miandry ny programan’asa fampandrosoana avy amin’ny fanjakana Malagasy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny famoaham-bola famatsiana izany. Raha ampahatsiahivina tokoa mantsy ny zava-nitranga teto Madagasikara hatramin’ny niverenan’ny fitondrana ara-dalàna dia nibosesika ny fiarahabana avy amin’ireo mpitondra firenena vahiny sy ireo tompon’andraikitra mitantana ireo rafitra famatsiam-bola toy ny Tahirim-bola sy Banky iraisam-pirenena miaraka amin’ny fampanantenana fanampiana avy amin’izy ireo. Mandrak’ankehitriny anefa dia tsy mbola hita soritra mazava ireo bolongam-bola fanampiana an’i Madagasikara amin’ny fanarenana ny lafiny ara-toekarena sy ny sehatra ara-tsosialin’ny vahoaka Malagasy 22 tapitrisa mahery. Iaraha-mahalala rahateo moa fa nomen’ireo mpamatsy vola fe-potoana hatramin’ity volana septambra ity ny mpitondra fanjakana Malagasy hanolorana fandaharanasa ho takalon’ireo famatsiam-bola ety am-piandohana. Mitodika any amin’ireo manampahefana mpanatanteraka misolotena ny vahoaka ny mason’ny mpanara-baovao manomboka izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT