Sendikan’ny polisy na ny SEFPONAM

« Tena tsy ampy ho an’ny ankohonana ny karama »


  • Alatsinainy 20 Janoary 2025

Niaiky ny Sekretera jeneraly eo anivon’ny Sendikan’ny polisy na ny SEFPONAM Randriamihamina Alphonse

fa tsy ampy hampiasain’ny ankohonana iray ao anatin’ny tapa-bolana intsony ny karama raisina isam-bolana amin’izao. Noho ny fidangan’ny vidim-piainana no nambarany fa antony mahatonga izany ka tokony hojeren’ny Fitondram-panjakana akaiky. Tokony efa miakatra ny vatan-karama hoy izy, indrindra fa ho an’ny mpiasam-panjakana. Ny asa anefa eo an-daniny dia notsindriany fa tena mafy nefa ny karama kely dia kely. Tsy mahaleo ny sarany intsony ny vidiny hoy hatrany izy. Ho an’ny mpiasam-panjakana manokana moa dia nomarihiny fa efa misy ny grille indiciaire momba ny karama tokony arahina sy hampiharina mba hifanaraka amin’izay fidangan’ny vidim-piainana izay. Ho an’ny sehatra tsy miankina kosa dia ny fahatsapan-tenan’ny mpampiasa no andrasana mba hisian’ny fifampitsinjovana amin’ny mahasamy olombelona.
Pati
Legende : Mihetsika hatrany ny Sendikan’ny polisy ho an’ny tombontsoa iombonan’izy ireo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT