Sendikan’ny administratera sivily

“Aravony io krizim-pifidianana io, ny vahoaka no ho tratra farany!”


  • Talata 24 Oktobra 2023

Ny fivoriambe na “Assemblé général” no rafitra fara-tampony amin’ny sendika, hoy ny Sendikan’ny administratera

sivily eto Madagasikara na SYNAD raha nanatontosa izay fivoriamben’izy ireo izay tetsy Anosy omaly. Manoloana izao zava-misy eto amin’ny firenena izao, hoy ny filohan’izy ireo, Paolo Emilio Raholinarivo, dia tsy handray ny lamba tsy manandrify anay izahay. Nofanina momba ny fifidianana izahay, hoy izy. Olana ara-pifidianana no misy eto Madagasikara. Vonona ny administratera sivily raha atonona hanome traikefa hanampiana ny firenena amin’izay raharaham-pifidianana izay. Ny fisahanana ny lafin-tany no tena andraikitray. Eo ny solontenam-panjakana, ny prefe, ny lehiben’ny distrika. Izahay dia tsy hanao zavatra mihoatra ny voasoratra ao anatin’ny lalàna. Hampanara-dalàna izahay satria tsy tia lainga ka hikirakira ny voka-pifidianana araka ny lalàna misy dia ny hampitovy lenta ny kandida rehetra amin’ny fanehoan-kevitra, ny fiarovana azy, ny fikirakirana ny fandaminana rehetra. Ho tandrovanay toy ny anak’andriamaso ny filaminana. Tsy anjaranay ny mitsara an’i Rakoto na Rabe na Raketaka na Rasoa. Ny fampanarahana lalàna sy fijoroana amin’ny fahamarinana no anjaranay. Izahay no mitana ny anjara kofehin’ny fanjakana. Izahay no andry farany na “dernier rempart” eto amin’ny firenena. Aza asiana gidragidra! Miantso ny namana rehetra izahay! Fadio toy ny fady rehetra ny mitanila amina antoko na amin’olona, ny mampiasa fitaovam-panjakana, melohinay raha ato amin’ny minisiteran’ny atitany no misy manao izany. Mety ho be ny fahavoazana eto amin’ny firenena raha mitohy izao fihetsiketsehan’ny andaniny sy ankilany izao hatrany amin’ny fifidianana. na Ara pitaovana io na arak’olona. Tandindonin-doza ny fiainan’ny solontenam-panjakana raha tsy milamina mandra-pahatongan’ny fifidianana io. Tokony hahita marimaritra iraisana ny roa tonta ho tombontsoa ny firenena. Ny vahoaka no ho faty raha tsy hita ny marimaritra iraisana, hoy hatrany ny SYNAD .
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT