Sendikan’ireo mpiseradia eto Madagasikara

«Takiana ny fisokafan’ny habakabaka


  • Zoma 24 Oktobra 2025

ho an’ireo firenena be mpizahantany indrindra»

Nanao fanambaràna omaly ny SGTM na ny sendikan’ireo mpiseradia eto Madagasikara sy ireo fikambanana maro anivon’ny sehatry ny fizahantany fa noho ny tolom-bahoaka nisy teto amin’ny firenena ka nahafatesana olona maro dia miondrika am-panajàna manoloana ireo mahery fon’ny firenena ireo izy ireo. Mirary soa sy fahasalamàna ihany koa ho an’ireo izay naratra sy nitondra takaitra tao anatin’izany tolona izany, hoy izy ireo. Iarahantsika mahalala fa isan’ny sehatra iray tena mampidi-bola betsaka eto Madagasikara ny sehatry ny fizahantany. Iarahantsika mahita koa nefa fa rehefa misy ny olana na tranga miseho, na aretina io na tsy fandriampahalemana, dia ny fizahantany koa no marefo voalohany indrindra ary tena tratra farany foana eo amin’ny fiverenana ara-kasa. Ny mpiseradia na «guide touristique» no masoivohon’i Madagasikara. Mitaky ireto zavatra ireto, noho izany, izy ireo, hampandrosoana ny sehatra misy azy. Amin’ny maha nosy an’i Madagasikara dia fiaramanidina na sambo no mitondra ireo mpizahantany eto. Takiana ny fisokafan’ny habakabaka ho an’ireo firenena be mpizahantany indrindra. Ohatra amin’izany ireo firenena miteny anglisy, rosy, sinoa. Mila jerena ny fanarenana ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar ho an’ny zotra anatiny sy ivelany. Eo koa ny saran’izany sidina izany mba hahafahan’ny rehetra mivezivezy malalaka, na malagasy io na vahiny. Tokony jerena haingana koa ireo seranam-piaramanidina rehetra mba ho afaka handray ny zotra avy any ivelany mivantana fa tsy ho voatery eto Antananarivo na Nosy be ihany no andraisana izany sidina izany. Hatsaraina ihany koa ireo seranan-tsambo rehetra amin’ireo sambo vaventy mitondra mpizahantany mba hahafahan-drizareo miantsona satria miha betsaka ireo sambo miodina na «croisière», izay hananan’ny rehetra tombontsoa ny hahatongavan’izany mpizahantany izany. Takiana koa ny fanamboarana ny lalana rehetra mba hahafahana mifamezivezy, indrindra, ireo lalana any amin’ny toerana mahasarika mpizahantany. Fanavaozana ireo fotodrafitrasa rehetra na fanomezana sokajy araka ny tokony ho izy ireo toerana fandraisam-bahiny amin’izay hamaritra azy. Takiana ny fanomezana fahazoan-dalana ireo mpiseradia nahavita sedra ary efa nandoa ny saran’izany mba ho entiny mitady asa sy miditra ao amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Eo koa ny fanomanana, fampiofanana ireo mpiseradia, ny mpamily, ny mpiasa ao amin’ny trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana. Eo koa ny fiarovana ny tontolo iainana, fanomezana asa ireo vondron’olona ifotony sy polisin’ala hiaro ny tontolo iainana manodidina azy. Fanomezan-dalana ireo mpandraharaha malagasy misehatra amin’ny fizahantany mba hahafahan’ny tsirairay mampiasa vola eo amin’ny sehatra fa tsy ho ny vahiny foana no manao izany asa izany. Mangataka ny SGTM mba ho olona misehatra amin’ny fizahantany, mahafantatra tsara ny olana misy ary vonona hitondra vahaolana mba ho fampandrosoana ilay sehatra no hotendrena minisitra. Vonona hanome tanana amin’izany adidy masina izany izahay, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT