Actualités

Sendikan’ny mpanao gazety Nanaitra ny fianakaviambe iraisam-pirenena


  • Zoma 25 Jolay 2014

Manaitra ny sain’ny fianakaviambe iraisam-pirenena momba ny fanohintohinana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ny sendikan’ny mpanao gazety, araka ny fanambarana nataony omaly

Enim-bolana monja nitantanana ny firenena izao fitondrana izao dia efa mitady hangeja sahady ny asa fanaovan-gazety, ka izay no iantsoana ny sehatra iraisam-pirenena mba hiaro ireo ezaka maro efa vita amin’ny fametrahana ny fahalalahana maneho hevitra eto Madagasikara, hoy ny fanambarana. Mampiahiahy, hoy hatrany ity fanambarana ity ireo fepetra noraisin’ny fanjakana tato ho ato izay. Teo aloha ny fisamborana sy fanagadrana ireo mpanao gazety mirahalahy. Izao dia mandalo « redressement fiscal » indray ny gazety mpiseho isan’andro la Gazette de la Grande Ile. Re ihany koa fa nampiantso an’ny Commission Spéciale à la Communication Audiovisuelle (CSCA) mba hivory maika ny alatsinainy 28 jolay ho avy izao ny minisiteran’ny filazam-baovao ka araka ny tsiliantsofina re dia hodinihana mandritra izany ny fepetra horaisina momba ny onjampeo Free FM. Nanitrikitrika ny fikambanamben’ny mpanao gazety amin’ny alalan’izao fanambarana izao fa mampiahiahy ihany ny fomba nitrangan’ny fisamborana sy fitsarana ary fanagadrana ireo mpanao gazety roa avy amin’ny Madagascar Matin. Ahiana ihany koa ny fisian’ny karazana tsindry bokotra mivantana sy an-kolaka avy amin’ny fitondram-panjakana. Midika zavatra betsaka manoloana ny finiavana hifehy na hangeja ny asa fanaovan-gazety ihany koa, hoy hatrany ny fanambarana ny resaka nataon’ny talen’ny kabinetran’ny filohan’ny Repoblika tao amin’ny gazety L’express de Madagascar  ary tena fampitandremana mifono fampitahorana mazava tsara mihitsy no nataony. Mahafantatra tsara ny zony sy ny andraikiny ny mpanao gazety ary tsy hanaiky kosa ny paikady hanagejana ny fahalalahana maneho hevitra sy mizara vaovao eto Madagasikara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT