Tsy mbola miorim-paka tsara ny indostria malagasy raha ny zava-misy ankehitriny, araka ny fijerin’ny filohan’ny sendikan’ireo indostria eto Madagasikara Stéphane Raveloson azy. Tsy mionona fotsiny amin’ny fanavaozana hairaha anefa ity sehatra ity fa mandray anjara lehibe amin’ny voka-pirenena anatiny
. Eo ireo asa foroniny miaraka amin’ireo tombony azo sintonina amin’ireo vokatra izay haondrana. Ny fampiharana ireo lalàna no vahaolana voalohany aroson’ny SIM manoloana ny filazan’ny fanjakana hanarina ny toekarena Malagasy taorian’ny krizy lavareny nolalovan’ny firenena. Anisan’izany, ohatra, ny lalàna mamaritra ny fampahafantarana ireo vokatra hafarana avy any ivelany hiadiana amin’ny gaboraraka. Antony iray goavana manapotika ny orinasa malagasy mpamokatra entana avy eto an-toerana ny fidiran’ireo vokatra tsy voafehy vahiny izay mandrakotra ny tsena anatiny amin’ny vidiny tsy azo hifaninanana. Ilaina hamafisina ihany koa ny fanaraha-maso ireo morontsirak’i Madagasikara ary fotoana izao hamaritana mazava ny politika ara-toekarena eto amintsika, hoy ny filohan’ny SIM. Manomboka anio eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena moa ny Salon de l’Industrie de Madagascar na SIM andiany faharoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.