Sendika mahaleotena CUA

« Be loatra ny olana navelan’ny mpitantana ny kaominina teo aloha »


  • Talata 16 Aprily 2024

Betsaka ny olana navelan’ny mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra teo aloha,

tsy mbola voavaha hatramin’izao raha ny fampahafantarana nataon’Andriamatoa Jaona Clément Nirintsoa filohan’ny Syndicat Autonome de la commune urbaine d’Antananarivo omaly. Ankoatra ny olana mahazo ny mpiasan’ny kaominy dia mihatriaka hatrany amin’ireo mpivarotra ny olana ankehitriny. Araka ny fitantaran’ny delegen’ny Esplanade sady filohan’ny fikambanan’ny mpivarotra ezaka ohatra dia nisy ny vola 600 000 ariary nalaina tamin’izy ireo no mbola tsy niverina hatramin’izao. Fa eo indrindra ihany koa ny omba ny SMGD, mahatsiaro izahay mpivarotra fa misy resaka fametsifetsena ilay tickes sy fitakiana vola amin’ny mpivarotra, hoy ny delege nitondra teny ; misy zavatra tsy rariny hoy izy. Olona efa marary any amin’ny hopitaly, tsy mivarotra ve dia mbola takiana handoa ticket ihany, hoy ny fitarainana omaly. Nisy moa ny fanambarana sy hetsika fanairana nataon’ny Syndicat Autonome de la commune d’Antananarivo omaly, mitaky ny hijerena vahaolana haingana ary hangatahin’izy ireo ny hisian’ny fivorian’ny filankevitry ny tanàna faran’izay haingana. Angatahan’ny sendika ihany koa mba tsy ho tara fandraisana karama fa tena mizaka ny mafy izy ireo, niantefan’izany antso manokana izany moa ireo banky eto an-drenivohitra.
Lalaina Rav
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT